Acts 9

1Fa i Saoly, dia mbola niteny fandrahonana foana eny fa na hatramin’ny famonoana manohitra ireo mpianatry ny Tompo aza, nandeha tany amin’ny mpisoronabe 2ary nanontany azy ireo taratasy ho an’ireo synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita na iza na iza eo amin’ny Lalany izy, na lehilahy na vehivavy, dia entiny hifatotra any Jerosalema izy ireo.

3Raha mbola nandeha izy, dia izao no nitranga rehefa tonga teo akaikin’i Damaskosy izy, tampoka teo dia nisy hazavana namirapiratra nanodidina azy avy any an-danitra; 4ary nianjera tamin’ny tany izy ka nandre feo niteny taminy hoe: “Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika ahy?”

5Saoly namaly hoe: “Iza ianao, Tompo?” Hoy ny Tompo: “Izaho no Jesosy izay enjehinao, 6fa mitsangàna, midira ao amin’ny tanàna, ary ho lazaina aminao izay tsy maintsy ho ataonao.” 7Ny lehilahy izay niara-dia tamin’i Saoly dia nijoro tsy nahateny, nandre ny feo, fa tsy nahita an’ iza na iza.

8Nitsangana avy tamin’ny tany i Saoly, ary rehefa nanokatra ny masony izy, dia tsy afaka nahita na inona na inona izy; ka notantanan’izy ireo tamin’ny tanany izy ary nentina tany Damaskosy. 9Tsy nahiratra izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinana izy no sady tsy nisotro.

10Ary nisy mpianatra tao Damaskosy antsoina hoe Ananiasy. Niteny taminy tamin’ny fahitana ny Tompo: “Ananiasy!” Hoy izy: “Indro, inty aho, Tompo.” 11Niteny taminy ny Tompo: “Mitsangàna, ary mandehana any amin’ny lalana izay antsoina hoe Mahitsy, ary rehefa ao an-tranon’i Jodasy dia mangataha amin’ilay lehilahy avy any Tarsosy antsoina hoe Saoly, fa mivavaka izy. 12Efa nahita tamin’ny fahitana ny fihavian’ny olona antsoina hoe Ananiasy izy ary hametraka ny tanany eo aminy, ka mety hahita indray izy.”

13Fa namaly Ananiasy hoe: “Tompo, efa nandre tamin’ny maro momba io olona io aho, mahakasika ny ratsy nataony tamin’ny olonao masina tao Jerosalema. 14Nanana fahefana tamin’ireo lohan’ny mpisorona izy mba hisambotra izay rehetra miantso ny anaranao eto.” 15Fa ny Tompo niteny taminy hoe: “Mandehana, fa izy dia fitaovana nofidiko, mba hitondra ny anarako eo anoloan’ny Jentilisa sy ireo mpanjaka ary ny zanak’Israely; 16fa ho asehoko azy hoe ahoana ny fijaliany noho ny amin’ny anarako.”

17Ka lasa i Ananiasy, ary niditra tao amin’ny trano. Nametraka ny tanany teo aminy, dia niteny izy hoe: “Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesosy, izay niseho taminao teny an-dalana rehefa nakaty ianao, no nandefa ahy taty mba mety hahiratanao ary ho feno ny Fanahy Masina.” 18Teo no ho eo dia zavatra toy ny kiran-trondro no niendaka avy hatrany teo amin’ny mason’i Saoly, ary nahiratra izy; nitsangana izy ary natao batisa; 19ary nihinana izy ka nahazo hery. Nipetraka niaraka tamin’ireo mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.

20Avy hatrany dia nanambara an’i Jesosy tao amin’ny Synagoga izy, nilaza fa Izy no Zanak’Andriamanitra. 21Izay rehetra nandre azy dia gaga ary niteny hoe: “Tsy io olona io ve no namono ireo tany Jerosalema izay niantso tamin’io anarana io? Tonga teto izy mba haka azy ireo ho fatorana ho any amin’ny mpisorombe.” 22Fa lasa nihanahery i Saoly, ary nampahory ny Jiosy izay nonina tao Damaskosy ka nanaporofo fa Jesosy no Kristy.

23Taorian’ny andro maromaro, niara- nanao drafitra mba hamono azy ireo Jiosy. 24Fa lasa fantatr’i Saoly ny tetik’izy ireo. Ary niandry ny vavahady andro aman’alina mba hamono azy izy ireo. 25Fa naka azy tamin’ny alina ireo mpianany ary namela azy hidina tamin’ny rindrina, nampidina azy tao anaty harona.

26Rehefa tonga teo Jerosalema izy, dia nanandrana ny hanatona ireo mpianatra i Saoly, nefa natahotra azy daholo ireo, tsy nino fa mpianatra izy. 27Fa naka azy i Barnabasy ary nitondra azy teo amin’ireo Apostoly, ary nilaza tamin’ireo izy hoe ahoana no nahitan’i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny nitenenan’ny Tompo taminy, ary ahoana no nitorian’i Saoly am-pasahiana tamin’ny anaran’i Jesosy tao Damaskosy.

28Nihaona tamin’izy ireo izy rehefa niditra ary nivoaka an’i Jerosalema. Niteny am-pasahiana tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo izy 29ary niady hevitra niaraka tamin’ireo Jiosy Grika; nefa mbola niezaka ny hamono azy ihany izy ireo. 30Rehefa fantatr’ireo rahalahy izany, dia nentin’izy ireo nidina tany Kaisaria izy ary nalefany ho any Tarsosy izy.

31Ary avy eo, ny fiangonana nanerana an’i Jodia rehetra, Galilia, ary Samaria nanana fiadanana ary voaorina; ary, nandeha tamin-tahotra ny Tompo sy tamin’ny fampiononan’ny Fanahy Masina, ka nitombo isa ny fiangonana. 32Dia tonga izany ankehitriny, raha nandeha nanerana ny faritra manontolo Petera, dia nandeha nidina tany amin’ireo mpino izay nipetraka tao amin’ny tananan’i Lyda ihany koa izy.

33Nahita olona antsoina hoe Aenasy tao izy, izay efa teo am-pandriany nandritry ny valo taona, satria nalemy izy. 34Petera niteny taminy hoe: “Aenasy, manasitrana anao Jesosy Kristy. Mitsangàna ary amboary ny fandrianao,” ary niaraka tamin’izay dia nitsangana izy. 35Fa izay rehetra nipetraka tao Lyda sy tao Sarona dia nahita ny lehilahy ka nitodika tamin’ny Tompo izy ireo.

36Ary nisy mpianatra iray antsoina hoe Tabita tao Jopa, izay adika hoe “Dorkasy.” Nanao asa soa betsaka io vehivavy io ary nanao fanampiana feno asa fiantrana izay nataony ho an’ny mahantra. 37Tamin’ireo andro ireo dia narary izy ary maty; rehefa nanasa azy izy ireo, dia napetrak’izy ireo tao amin’ny efitrano ambony izy.

38Satria efa nanakaiky an’i Lyda i Jopa, ary nandre ireo mpianatra fa tao Petera, dia nandefa olona roa tany aminy izy ireo, niangavy azy: “Tongava re any aminay tsy misy hatak’andro.” 39Nitsangana Petera ary nandeha niaraka tamin’izy ireo. Rehefa tonga izy, dia nitondra azy tao amin’ny efitra ambony izy ireo, ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany nitomany, nampiseho azy akanjo sy ny lamba izay nataon’ireo Dorkasy fony izy niaraka tamin’izy ireo.

40Nalefan’i Petera tany ivelan’ny efitra izy rehetra, nandohalika, ary nivavaka; avy eo, nitodika tamin’ilay razana, niteny izy hoe: “Tabita, mitsangàna.” Dia nanokatra ny masony izy avy eo, ary nahita an’i Petera izy dia niarina. 41Avy eo nanolo-tanana azy Petera ary nampitsangana azy; ary rehefa niantso ireo mpino sy ireo mpitondratena izy, dia nasehony tamin’izy ireo ny fahavelomany. 42Lasa fantatra nanerana an’i Jopa rehetra izany zavatra izany, ary olona maro no nino ny Tompo. Tamin’izany Petera dia nipetraka andro maromaro niaraka tamin’ilay lehilahy iray antsoina hoe Simona tao Jopa, izay mpandoko hoditra.

43

Copyright information for PltULB